Fomba fandraisan’anjara dimy amin’i Wikibolana

Ity lahatsoratra ity dia dikanteny amin’ny teny malagasin’ny lahatsoratra nosoratako tamin’ny teny anglisy vao andro vitsivitsy izay. Mandray anjara tamin’i Wikibolana aho nanomboka tamin’ny taona 2010. Lasa fahazarana ilay izy: isam-bolana,isan-kerinandro, isan’andro, ary isa-maraina na isa-kariva, dia alefako ny mpitety tranonkala ijerena izay zavatra nitranga teo amin’i Wikibolana, ary mijery ny zavatra izay azoko atao…

Ny ho avin’ny teny malagasy

Amin’izao fotoana izao dia ohatry ny maro ireo mpiteny malagasy kivy ratsy amin’ny fomba fanoratan’ny sasany ny tenin-drazany eo amin’ny Aterineto. Na aiza na aiza aho mamaky dia mahita olona mitaraina mikasika ny tsipelina foana aho, na amin’ny teny anglisy, na amin’ny teny frantsay, na amin’ny teny malagasy. Inona ny nahatonga izany? Voalohany indrindra aloha,…

Volan’i Janosy, mandinika ny efa lasa ary mijery ny ho avy

Rehefa mandroso ny taona dia mahatsapa aho fa hoatry ny mihahaingana hatrany ny fandrosoan’ny fotoana. Efa lasa sahady ny taona 2013. Tsy hitahita akory dia efa folo taona mahery izay no nialako an’i Madagasikara. Roapolo taona tamin’ny volana Jolay aho. Inona sisa no tavela tato an-dohako tamin’iny taona 2013 iny? Andao ary isika hanomboka amin’ny…

Dikanteny anglisy-malagasy

Rehefa avy namboatra diksionera aho dia lasa namorona mpandika teny iray. Io mpandika teny io dia mandika ny teny anglisy amin’ny teny Malagasy nosoratana amin’ny alalan’i PHP izay mampiasa fisie *.txt ho an’ny rakibolana ary ny parser. Efa ora maromaro izay no laniko nanamboarana io mpandika teny io, efa vita hatry ny ela ny dingana…

Birao KDE amin’ny teny malagasy

Raha ny fantatro ankehitriny dia mbola tsy tanteraka ny fandikana amin’ny teny malagasy ny birao KDE. Nojereko teo amin’ny tranonkala ofisialin’i KDE localization ilay izy, dia ny teny eoropeana no hitako manjakazaka : fiteny portogey, anglisy, frantsay… Noho izany ny tenako dia nanan-kevitra ny handika ilay birao amin’ny teny malagasy. Fantatro fa betsaka ny asa…

Kriollatino, fiteny noforonina : toko voalohany

Tsy vao androany akory io hevitra io fa efa hatry ny ela no ketrehina tato an-doha : ny famoronana teny vaovao iray. Amiko manokana aloha io fiteny noforonina izay mitondra ny anarana “Kriollatino” io dia tsy natao ho fiteny iraisam-pirenena mora ianarana, na dia anisan’ny iriako ho an’ny fiteny noforoniko aza izany. Ny tena antony…

Fiteny noforonina : fiteny esperanto

Esperanto? Mety efa nahenoheno ny fisian’ny teny esperanto ihany angamba ianareo… Ho an’izay tsy mbola naheno ny fiteny esperanto dia ity henoina, na ity vakio. Raha te hianatra ny zava-misy amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity jerena. Raha te hijery ny vaovao amin’ny fiteny esperanto koa ianao dia ity vakiana.  Maro dia maro ireo…