Ny ho avin’ny teny malagasy

Amin’izao fotoana izao dia ohatry ny maro ireo mpiteny malagasy kivy ratsy amin’ny fomba fanoratan’ny sasany ny tenin-drazany eo amin’ny Aterineto. Na aiza na aiza aho mamaky dia mahita olona mitaraina mikasika ny tsipelina foana aho, na amin’ny teny anglisy, na amin’ny teny frantsay, na amin’ny teny malagasy. Inona ny nahatonga izany?

Voalohany indrindra aloha, dia mba aoka aho hanolotra ny tenako (ho an’izay tsy mahay miteny anglisy). Izaho dia mpianatra amin’ny fianarana ho injeniera amin’ny kajimirindra (informatika). Roapolo taona mahery aho, olom-pirenena malagasy, monina eto Frantsa, ary mpandray anjara eo amin’ny tetikasa Wikimedia amin’ny teny malagasy. Amin’ny maha-teknisianina ahy, dia misy fanazavana voalohany amin’io tsipelina tsy manajahaja ny fiteny io.

Ny ho avy?

“Tsy haharitra mandrakariva ny fomba famaritana zavatra iray. Tsy haharitra mandrakariva ny anarana amaritana zavatra iray.” hoy i Laozi.

Tsy diso izy. Efa hita fa samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny teny malagasy notenenina tamin’ny andron-dRadama. Ary azo inoana mafy fa ho samihafa amin’ny teny malagasy ankehitriny ny endriky ny teny malagasy afaka 200 taona. Mety hitranga arak’izany ny fahatsorana ara-boambolana ary ara-pitsipi-pitenenana : mety hanisa amin’ny fomba mahitsy (toa ny fiteny tandrefana, na ny fiteny sinoa) isika ; mety handrafitra abidy vaovao izay tsy misy fifandraisana amin’ny abidy efa mahazatra antsika isika. Mety hiova lalina ihany koa ny fomba fanononana, ary torak’izany ny fomba fanoratana.

Fiantraikan'ny abidy malagasy

Fiantraikan’ny abidy malagasy vaovao amin’ny tsipelin-teny (fiaviana : boky Lala sy Noro, avy eo amin’i http://hery.blaogy.com/post/4/8301)

Ao amin’ny Akademia Malagasy izao dia efa misy ny resaka mikasika ny fanovana ny fomba fanoratana ny teny malagasy amin’ny alalan’ny abidy vaovao (adihevitra nandraisako anjara teo amin’i serasera.org, tamin’ny anarana Tibao). Hisy taratasy hivoaka atsy ho atsy momba izany, ka raha mipetraka ao Antananarivo ianao dia mety hivoaka amin’ny robrika “kolontsaina” amin’ny gazety izany. Raha entin’ny finiavan’ny vahoaka miteny malagasy sy ny Fanjakana vonona ny hamerina ny fanagasiana izany dia mety ity no ho endriky ny andininy voalohan’ny Fanambarana Iraisam-pirenena ny Zon’olombelona :

Andinini I : Nateraka hu afaka si hituvi ni ulumbeluna rehetra na eu amin’ny zu na eu amin’ny hasina. Sami manan-tsaina si fieritreretana ka tukuni hifampitundra am-pirahalahiana.

Tsy hanova ny tsipelin’ny teny tsy misy ny litera “y” sy “o” sy “j” io abidy malagasy tadiavina ny hanolo ny abidy taloha io, satria hivadika “dz” ny “j” rehetra amin’ilay abidy. Torak’izany koa ny “y” hivadika “i” na aiza na aiza, ary ny “o” hivadika “u”. Mitovy amin’ny mahazatra ihany ny fanononana, fa ny fomba fanoratana ny teny fotsiny no ovaina kely.

Efa miova ny fomba fanononana

Tokony efa nahatsikaritra izany ianareo : inona ny mampiavaka ny teny tsidio ary tsidiho ? Tsy misy. Samy mitovy ny fomba fanononana ireo teny roa ireo, satria tsy tononina intsony ny /h/. Ity indray mbola misy hafa : inona ny mampiavaka ny teny may sy mahay ? Ho an’ny ankamaroan’ny olona, dia tsy misy. Fa ho an’ny olona sasany, dia misy ilay izy, na dia kely fotsiny aza. Ohatra fahatelo : iza no tena marina: mande sa mandeha? Raha “mande” no voafidinao dia diso ianao, na dia /mande/ aza no fanononantsika ilay teny “mandeha” ankehitriny. Ny fanovana kelikely ohatr’izany no mahatonga ny teny mivoatra. Ary mety ho tian’ny olona izany, na mety tsy ho tiany ihany koa.

Fanatontoloana ary ny fiantraikany amin’ny tenin-drazana

Manana ny fiantraikany ihany ka ny fanatontolona amin’ny teny malagasy. Ny mahatonga ny tanora ohatra anay miteny vary amin’anana amin’izao fotoana izao dia anisan’ny vokatr’io Fanatontolona io ; manomboka avy any amin’ny fara tampon’ny Fanjakana ny ohatra, ka haninona ny mponina no tsy hanaraka?

Raha amiko manokana dia fahadisoana lehibe ny famelàna ny teny frantsay ho anisan’ny teny ofisialin’i Madagasikara tamin’ny fandrafetana ny Lalam-panorenan’ny Repoblika fahaefatra. Tsy tanteraka ny fiovàna lehibe nampanantenain’ireo mpitondra, ka mbola hahazo alalana ofisialy ny “hiteny vary amin’anana” foana ireo mpiasam-panjakana sy ireo manam-pahefana izay ekena fa miezaka ny mampiasa teny malagasy madio amin’ny kabary sy tatitra ofisialy. Tsy vao androany no misy an’izany, ary efa nitranga 15 taona lasa izany arak’ity kabary manaraka ity :

“Ni-inviter anareo Tantsaha iray génération amiko aho, mba hiara mi-étudier ity projet de développement nanaovako étude plus ou moins approfondie ity. Mi-concerner ny région-tsika mantsy izy io, ka tokony hi-sensibiliser-na antsika masse paysanne amin”izao période de décollage économique izao.

Ny cohésion sy ny participation de tout un chacun anefa no tena primordiale amin”izany, ka tsy ny élites sy ny intellects ihany no ho décideurs sy piliers amin”ny réalisation sy ny exécution-ny, fa ny population active sy isika izay avenir-n”ity tany ity. Raha tsy izany, tsy avotra izao situation déplorable sy catastrophique izao. Mila straté ;gie sy plan triennal bien au point anefa izany fa tsy azo atao au pif fotsiny.

Izany no ni-convoquer-na antsika exprès amin”ity réunion de sensibilisation ity. Isika rehetra sans exception izany no samy hilaza izay point de vue-ny avy, vis-à-vis de ce projet. Tout au moins, izay mba suggestion na solution intermédiaire sy adéquate any an-tsainareo any.

Misokatra àry izao ny débat sy ny discussion ka tout le monde peut prendre la parole. Merci !”

— Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana  (25 Jona 1994)

Kabary tena natao hanentana ny tantsaha teny ambanivohitra io kabary nodikaina an-tsoratra teo ambony io tamin’ny 1994, ka mazava ho azy tsy nahateny inona na inona izy ireo, izay tsy nahazo teny frantsay. Kanefa teny “frantsay” hatramin’ny teny famaranana no nampiasain’ilay tovolahy mpandaha-teny. Ka rehefa avy nangina sy nifampijerijery ny iray trano dia ity no nolazainy tamin’ireo tantsaha :

“izao ihany ilay mampi-décevoir ny technicien aminareo, fa tsy capable hi-saisir ny occasion profitable sy favorable tahaka itony,” — Ny Teny Malagasy : Fanentanana ny Fon’ny Vahoaka amin’ny Fampandrosoana (25 Jona 1994)

Mety hankarary ny sofin’ny sasany ny kabary tahaky ny teo ambony, ary mino aho fa tsy mety nanao kabary tamin’ny tantsaha intsony ilay rangaha diso fanantenana tamin’iny tsifahombiazana iny. Vao nivoaka tamin’ny fangasiana  ny Malagasy tamin’izany fotoana izany, ka naverina ho teny frantsay indray ny teny enti-mampianatra. Na dia izany aza, dia azo lazaina fa diso kajy ihany ilay mpandaha-teny satria dia noheveriny fa nahay teny frantsay hoatr’azy daholo ny iray trano.

Amin’izao Fanatontoloana vokatry ny Aterineto ary ny fifanakalozan-kevitra iraisam-pirenena izay atao amin’ny teny anglisy izao, dia manomboka miditra ao amin’ny teny malagasy (indray) ny teny anglisy. Saika tsy misy fanagasiana ohatry ny tamin’ny taloha fa tonga dia miditra manta tsotra izao : crowdsourcingcloud computingoutsourcingmanager, sns.

Lamaody vaovao

Hoy ny sasany : “Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko”. Teny malagasy ihany no misy ao Madagasikara, ka raha manomboka miteny vahiny ianao dia ohatry ny lazaina hoe manam-pahaizana be. Zava-dehibe amintsika malagasy ny fahaizana, ka izany no mahatonga ny lamaodin’ny sasany “miteny vary amin’anana”. Azo lazaina fa tafaverina tsikelikely amin’ny fampiasana teny malagasy madio indray isika malagasy amin’izao fotoana izao, na dia mbola tsy ampy tsara aza ny ezaka. 

Inona ny hevitrareo mpamaky mikasika ny ho avin’ny teny malagasy?

Advertisements

One thought on “Ny ho avin’ny teny malagasy

Leave a Reply

Fill in your details below or click an icon to log in:

WordPress.com Logo

You are commenting using your WordPress.com account. Log Out / Change )

Twitter picture

You are commenting using your Twitter account. Log Out / Change )

Facebook photo

You are commenting using your Facebook account. Log Out / Change )

Google+ photo

You are commenting using your Google+ account. Log Out / Change )

Connecting to %s