Ny mampahantra ny Malagasy

Nandritry ny dimampolo taona nahaleovantena, nikorontana foana i Madagasikara, isaky ny taompolo. Ireo korontana ireo dia nitondra fihemorana ara-toe-karena ary ara-piarahamonina. Rehefa miresaka mikasika io fihemorana io aho dia mikasika ny fivoarantsika oharina amin’ny fivoaran’ireo firenena ivelan’i Afrika. Ka raha oharina amin’ny firenena ivelan’i Afrika i Madagasikara dia lasa nihemotra tanteraka amin’ny lafin’ny ara-toe-karena.

Tamin’ny 1960, mitovitovy tamin’ny Korea Atsimo ny fivoaran’ny firenentsika, ny iray vao nivoaka tamin’ny Adin’i Korea, ny iray nahaleotena tamin’ny Frantsay 54 taona taorian’ny fanjanahan’ny frantsay an’i Madagasikara. Ny iray nampian’ny amerikanina, ny iray kosa nampian’ny Frantsay. Iza amin’ireo firenena roa ireo no mandroso amin’izao fotoana izao ? Madagasikara sa Korea Atsimo ? I Korea Atsimo dia nivoatra ho lasa hery ampiharian-karena izay milanja 1100 miliara dollar. Tsy tena nilatsaka ny GDP an’i Madagasikara, fa anefa nitombo kosa ny isam-ponina : 6 tapitrisa tamin’ny 1960, lasa 22 tapitrisa tamin’i 2011.

Ny politika nentin’ny koreanina mandritry ny dimampolo taona lasa teo dia fiarovana ny orinasam-pirenena, na inona na inona, ary fanampiana ireo orinasam-pirenena hivelatra amin’ny alalan’ny fanamaivanana ny hetra aloaviny. Eo koa ny tsifisian’ireo fikorontanana ara-politika miaraka amin’ny vokadratsiny. Ilay filaminana ara-politika, miaraka amin’ny hatsaran’ny «sécurité», miaraka amin’ny hakelin’ny karama (tamin’izany fotoana) no nanintona ireo orinasa vahiny hampita ny fahaizany amin’ny koreanina. Tamin’izany fotoana izany ny koreanina mbola mandika ny ataon’ny eoropeanina/amerikanina fa ankehitriny izaro koreanina no anisan’ny mpitarika amin’ny resaka fanamboarana finday sy solosaina.

Tsy ny harena an-kibon’ny tany irery no manome harena

Tsy ny harena an-kibon’ny tany no manome ny haren’ny firenena iray fa ny atidohan’ny olona ao amin’ilay firenena. Raha atao sarotra loatra ny fiainan’ireo olona manam-pahaizana ao Madagasikara dia mazava ho azy izy ireo fa hifindra monina any ivelany. Ka raha tia hitazona ireo manam-pahaizana isika, dia andao hamorona ary hiaro ny orinasam-pirenena mba tsy ho voasongon’ny orinasa vahiny eto amin’ny tanintsika, ary andao hanintona ireo orinasam-pirenena ary ireo orinasa vahiny mampiasa olom-pirenena hipetraka eto Madagasikara hampita ny fahaizany.  Mandika izay ataom-bahiny isika vao manomboka mikaroka ary mamorona zavabaovao. Ka raha toa ka harena an-kibon’ny tany no hifotoran’ny harentsika Malagasy, dia mino aho fa tsy haharitra ny harentsika. Satria harena tsy maharitra ny harena ankibon’ny tany ary harena tsy mivao.

Ny vola no anisan’ny olana lehibe tsy hahafahan’ny malagasy mamorona orinasa mavitrika amin’ny lafin’ny ara-pirenena

Rehefa miaino ny olon-tsasany ny tena dia hita fa tsy ny tsifihampian-kevitra no tsy hahafahan’ny malagasy mamorona orinasa mavitrika fa ny tsifananam-bola hanaovana ilay orinasa. Rehefa maheno namana miresaka aho dia hita fa misimisy ihany ireo hevitra, na dia nofinofy aza izy ireo, maro amin’ireo «nofinofy» ireo no azo atao tena mitranga. Resaka vola ihany sisa no olana lehibe. Mihalafo hatrany ny fiainana, anefa tsy miova firy ny vola miditra. Mihakely izany ny zavatra hafa azo atao amin’ny vola afatsy mihinana azy sy mandoa hofantrano. Tsy afa-manangona firy raha tsy efa manana asa maharitra ary be karama. Ary raha na dia mikarama tsara aza mbola ho sahirana ihany : raha tsy diboky ny orinasa vahiny ianao ho bankiropotra ihany satria tsy dia misy olona firy mahalala ny zavatra amboarinao, sady eo koa ny fisainan’ny malagasy izay manan-kevitra fa ratsy hatsarana ny zavatra amboarin’ny malagasy ; fantako fa marina tokoa izany, fa tsy toa izany akory mikasika ny zava-drehetra.

Tsy ny politika irery no diso, fa ny fisainana ihany koa.

Tsy vokatry ny politika ihany na ny tsifisian’ny «sécurité» akory ny fahantran’ny malagasy amin’ny lafin’ny ara-toekarena ary amin’ny lafin’ny ara-bola. Onen’ny vahiny fotsy hoditra ny afrikanina amin’ny ankapobeny, ka tonga izy mitondra izao forongo isan-karazany izao eto amin’ny tanindrazana, ka na dia manampy aza izy ireo amin’ny voalohany, mamono ny orinasa malagasy anaty ny atodiny ireo fanampiana ireo, ary mitondra vokadratsy mihalalina hatrany hatrany : any Nizera ohatra, mijanona mamonkatra ireo tantsaha.

Inona ny mahatonga izany ? Tsy aloha vola ny sakafo omen’ny PAM, na kely dia kely ny vola aloha. Tsy misy vola iainana intsony ny tantsaha dia miala maina. Ka noho izany ilay PAM sady mampakamo ireo manan-kevitra ny hamorona orinasa, no mamono ny efa misy. Torak’izany koa ny vary birmàna tany Madagasikara tamin’ny taona 2010 izy izay raha tsy diso aho. Tsy misy hohanina intsony ny tantsaha dia manipy gant avokoa. Ka aveo ho vitsy ireo tantsaha mbola mamboly anefa ny isam-ponina mbola mitombo ihany, dia amin’ny farany hisondrotra ny vidim-bary, ary tsy hahavidy vary intsony ny malagasy, dia mbola hafarana any ivelany, dia toa izany hatrany, hatrany amin’ny ady an-trano !

Advertisements